Sasinteny

     Tahaka ny tsy ahafahana mandika ny teny hoe « tsara » sy « fihavanana » amin'ny teny frantsay tokana no tsy ahafahana koa mandika ny teny hoe « fahendrena ». Toy ny voasary mantsy ireo teny ireo (sy ny maro hafa misy foto-kevitra ahafaha-mitsara) ka tokana ny voa atao indray mijery, fa maro kosa ny hasina fonosiny rehefa voasana izy.

Ny teny hoe tsara dia :
    - sady ilazana endrika ivelany, mitovy hevitra amin'ny soa: « Tsara bika izany tovovavy izany ».
    - no ilazana endrika anaty, mitovy hevitra amin'ny mendrika: « Manaova ny tsara; tsara fanahy ».
    - no ilazana koa tsiron-java-pihinana, mitovy hevitra amin'ny fy: « Tsara ilay sakafo nohaninay omaly izay».

     Toraka izany ny fihavanana. Izay mpamaky lahatsoratra amin'ny teny frantsay dia hahatsikaritra fa tazonina hatrany ny teny malagasy ary atao anaty faraingo sosona, ( le «fihavanana» ).
Hasiny maro mantsy no fonosiny: Tafiditra ao avokoa ny fifankatiavana, fifanomezan-tanana, fifanajana, sy izay teny hafa fantatra manomboka amin'ny «fif-» manambara asa iaraha-manao na hevitra iombonana: Asa vadi-drano, tsy vita tsy ifanakonana.
Io ilay antsoin'ny mpandalina hoe « syncrétisme ».

     Ary tafiditra ao anatin'izany ny fahendrena. Misy ihany ny manatsotso-javatra ka mampiasa ny teny frantsay « sagesse » na « philosophie », nefa ho hitantsika etsy aoriana fa misy lafin-toetran'ny Malagasy « hendry » tsy voafaokan'ireo dikan-teny ireo.

Hoy ny Ntaolo hoe: « Ny isavasavana ny raviny ahitana ny fotony ». Ary dia hosavasavaintsika ara-bakiteny ny ravin'ny « fahendrena » malagasy hahitantsika izay mety ho fotony ao.
01

Fampidirana

     Rehefa itrangan'ny fisavorovoroana sy korontana samihafa ny firenentsika, dia sahirana ihany ny sain'ny valala tsy mandady harona mamaky na mihaino ireo mpanao gazety sy antokon'olona maro manontany hoe : « Fa nankaiza ny fahendren'ny Malagasy? »

Misy fifanenjehana, halatra, fandrobana, vonoana olona..., dia io foana no fanontaniana re ombieny ombieny.

Fa moa tsy efa nisy hatry ny fahagolan-tany ireo zava-mamohehatra rehetra ireo? Ny fisian'ireo ve dia milaza fa tsy misy intsony ny «fahendrena»? Raha izany no izy, dia tsy nisy mihitsy hatramin'izay izany ny fahendrena satria nisy foana ireo, ary mbola hisy, na eto Madagasikara na any ivelany.

Raha dinihina tokoa mantsy, dia toa lasan-ko anarany fotsiny toa vilian-tsahona sisa ny hoe « fahendrena ».

     Koa izao famoaboasana izao no atao dia ny hiezahana hanakatra izay toe-tsaina amam-panahin'ny Malagasy nitondrany ny tenany sy ny fiainany, ka nahatonga ny lazan'ny « fahendreny » hihoatra ny siraka sy ny morony.

02

    Fanoroam-pejy

I. NY FAHENDRENA HITA MASO
4
1. NY FITONDRANTENA
4
2. NY ALOAKY NY VAVA
6
II.NY FAHENDRENA LATSA-PAKA
9
1. NY FAHENDREN'NY ANTI-PANAHY
10
2. NY FAHENDRENA SY NY FAHAIZANA AMAM-PAHALALANA.
12
III. NY FAHENDRENA TANDRA VADIN-KODITRA
13
1. NY HALEMEM-PANAHY
13
2. NY TAHOTRA SY HENATRA
14
3. NY FIFAMPITOKISANA
16
03

Raha atomboka amin'izay tsotra sy mivantana indrindra izao fanadihadiana izao, dia ireto no tsy azo atao ambany maso tsy hita.

I. NY FAHENDRENA HITA MASO :

1. NY FITONDRANTENA :

Sady midera tena ny ray sy reny niteraka no midera an-janany milaza hoe; « Hendry anie io zanako io e! ».
Inona avy no fonosin'izay « hendry » izay?

Raha zaza menavava izy, dia « hendry » rehefa tsara torimaso amin'ny alina ka tsy manahirana ny ray sy reniny.
Raha efa tonga saina kosa izy, dia « hendry » rehefa mihaino sy mankató izay lazaina azy, manampy amin'ny raharaha ao an-tokan-trano, manao ny zava-drehetra ara-pomba sy ara-potoana, mazoto amin'ny fianarana, manetry tena sy mandefitra, manaja ny fananana sy ny olona (mahalala fomba )...ary mbola azo anampy eo izay toetra sy fihetsika rehetra mety hiterakany fiderana sy ny fahafaham-pon'ny manodidina.

Raha ny olon-dehibe indray no hasian-teny, dia mitovitovy amin'ny toetran-jaza voalaza tetsy aloha, saingy efa mivelabelatra kokoa. Ary izany fivelarana izany dia mikasika indrindra ny fiainana ao ankohonana sy ny fifandraisana amin'ny mpiara-belona, raha fintinina, dia mikasika indrindra ny fanajany ny rafitra iainany.
Inona moa no ataontsika hoe raim-pianakaviana « hendry » na vady « hendry » tsy izay mahay mitantana ny filaminan'ny tokantranony?

04

( I. Ny fahendrena hita maso : 1. Ny fitondrantena )

Ao ny fahaizana mitsinjo ny vodiandro ho merika, ny fahadiovana ara-batana sy ara-tsaina ary ny fahaizana mikarakara ny ao an-trano, ny fahaiza-mandefitra sy ny fahalalana onony ( tsarovy, ohatra ilay ohabolana hoe: Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany ). Ny olona tahaka izany ilay lazain'ny Malagasy hoe faka tahaka, irin'olona fa tsy maniry olona. Noho izany, dia hatonin'ny olona izy hakana hevitra ary to teny amin'ny tany ama-monina.

Izay toetrany ao an-tokantrano izay mantsy dia mipariaka koa amin'ny fiarahany miaina amin'ny hafa, na ny havana izany na ny mpifanolo-bodirindrina na ny mpiray vohitra sy firenena : fanajana ny rafitra misy, fahaiza-mandamina, fanatanterahana andraikitra sy fanefana adidy, fanaovan-tsoa sy fahaiza-mamaly soa, fitsimbinana ny madinika... ary tsy mifarana eo akory ny tanisa.

Fa hisy fahabangana ihany izao famoaboasana ny «fahendrena» talaky maso,izao raha tsy resahintsika ny fahendren'ny biby.

Ireo manana biby fiompy tokoa mantsy, dia mazàna milaza fa « hendry » ny ombiny, ny alikany, ny sakany..., nahoana? : mahalala mody amin'ny fotoana tokony hodiana, tsy manaikitra na mandratra na manimba zavatra, mora velomina fa tsy manahirana.

Raha bangoina, dia tsy miteraka fisavoritahana na an-tsaha na an-tanàna...

05

( I. Ny fahendrena hita maso : 1. Ny fitondrantena )

...Tsy hidirantsika mihitsy eto ny hoe voajanahary sa vokatry ny fanabeazana ny fahendrena. Ny hifantohantsika dia ny endrika isehoan'ny « fahendrena ». Ny valiny azo lazaina ho miharihary mantsy dia itý; « Ny atao hoe fahendrena dia ny fitandroana izay hampilamin-tsaina ny miara-monina amin'ny tena ».

2. NY ALOAKY NY VAVA :

Endrika iray mampisongadina ny fahendren'ny olona ( na ny tsy fahendreny )izay aloaky ny vavany. Saro-pady amintsika Malagasy ny Teny. Anisan'ny manamarina izany dia ny fialan-tsiny mila tsy hisy farany rehefa hiteny manoloana olo-maro ny mpikabary, eny, na dia sady zokiolona aza izy no tsy atoro voanjo hadiana.

Hilaza miara-mahita aho raha hiteny hoe tsy hendry mihitsy no ilazantsika ny olona mitsaontsaona sy mahay vava.

Dieny mbola zaza isika dia anarina sy ampianarina mba tsy hiteniteny foana.
Ny hevitry ny hoe foana eto dia poakaty, fa tsy voatery ho ompa na ozona. Ny mahatonga ny ompa sy ozona ho teniteny foana dia noho izy teny sady tsy voahevitra sy voalanja no tsy ahitam-boka-tsoa, ary izay no maha-poakaty (foana ) azy.

Diniho amin'ny tena halaliny ange ireto ohabolana ireto e:
- Ny teny soa sakafo, ny vava ratsy adidy.
- Ny teny toy ny salaka: soa atao mihodidina; ratsy atao, mihodidina.

06

( I. Ny fahendrena hita maso : 1. Ny aloaky ny vava )

Raha mijery sy mihaino olona « hendry » miteny isika, dia ireto no tsikaritsika:
    - Malefaka ny fomba fiteniny fa tsy mitratrevatreva,
    - Tsara fantina ny voambolana ampiasainy ka tsy mampiroaroa hevitra,
    - Milamina sy tsara rafitra ny hevitra arosony ka mora arahina ny fizotrany,
    - Mafonja ny hevitra lazainy ka sady mandresy lahatra no misy hotsakotsakoina, izany hoe miverimberina matetika ao an-tsaina, tsy hadino.

Raha atao bango tokana izany, dia ezahiny izay tsy hanafintohina ny sofina mihaino sy ny saina mitadidy ary ny fo amam-panahy mieritreritra. Mahay mambabo no ilazan'y Malagasy azy.

Fa ambonin'ireo voalaza momba ny aloaky ny vava ireo, izay lavin'ny fahendrena malagasy indrindra dia :
    - ny kobaka am-bava sy ny volana an-tenda, ka hatreto no ho miakatra ihany,
    - ny fanaovana ronono an-tavy.

Ny olona « be resaka » amin'ny ankapobeny no tena tondroina amin'izany, ka asaina mitandrina hoe ny teny no tsy atao betsaka, ny mamerina azy no tsy laitra.
   - Ny amalona firain 'ny lelany, ny olona firain'ny vavany.
    - Firain'ny vava fito saha, firain'ny harem-boatondro.
    - Ny toky fitaka, fa ny atao no hita.

07

( I. Ny fahendrena hita maso : 1. Ny aloaky ny vava )

Ny olona be resaka mantsy amintsika Malagasy dia mpandainga: Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany ny marina. Io no teny feno fahendrena famakiana batsilana ny mpamitaka sy mpandainga mivarotra saka be loha.
Tsara ihany ny mampahatsiahy, alohan'ny hamaranana izao.

fizarana voalohany izao, fa raha halan'ny Malagasy ny « be resaka », dia tsy latsak'izany ny andosirany ireo monge-mahalatsaka sy mpandevin-tay an-tsalaka. Ny sokajin'olona tondroina amin'izany mantsy dia ireo mody tsy miteny, ka sarotra ahitana izay marina na lainga koboniny, ary mamely tampoka. Izay voany amin'izay dia manao soro-baton'ilay jamba ka voa vao mihilana.


II. NY FAHENDRENA LATSA-PAKA :

Anisan'ny toetra mahavariana ny vahiny amintsika Malagasy – ary sady iderany no anomezany tsiny antsika -, dia isika tsy mba tia ny mivantambatana manambara hevitra, fa somary misafelika, mikaroka fomba sy lalana toa mivilivily alohan'ny hahatongavana amin'izay tiana haleha. Misy aza miampanga antsika ho mpihatsaravelatsihy tsotra izao.
Ny vao maika manahirana ahy, dia ny fahitana fa na amintsika Malagasy aza dia misy miombon-kevitra amin'izany ka sahy milaza fa efa nilaozan'ny toetr'andro izany fomba izany.

Saingy diniho sy halalino kely ireto zava-pitranga roa ireto.

    a) Raha manan-janaka kamo na tsy te-hisahirana ny raim-pianakaviana, dia tsy mitrerona avy hatrany izy, fa mampieritreritra hoe: « Tsarovy anaka, fa na ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika », ary « tsy mety ho samy ho azo ny fandria-maraina sy ny valala manatody ».

    b) Raha itantarana ity olona iray hoe Ingahy Ranona atsy avaratra dia voatery nanakatona ny tranom-barony satria nanararaotra loatra tamin'ny fampitomboana vidin'entana, ka nilaozan'ny mpanjifa. Tsy handatsa mivantana mihitsy ilay nitantarana, fa hoy izy: «Tsarovy, rey olona, fa ny mandrora mitsilany mahavoa tena ».

Ny misongadina amin'ireo ohatra roa ireo dia ity: Mazàna ny mpananatra dia ny ela nihetezana ka lava volo, dia ny anti-panahy izany. Efa tao aminy hatry ny ela ny fahendrena ary tiany hiampita amin'ny hafa izany fahendreny izany. Raha tsorina, dia izao no foto-kevitra: Olona mieritreritra no miteny ka tiany ho olona mieritreritra no itenenanya satria ny hendry ihany no anarina, fa raha ny adala no anarina, ny lambany no ariany. Tenin'ny manan-tsaina atsipy amin'ny manam-panahy.
09

( II. Ny fahendrena latsa-paka )

Moa tsy io foto-kevitra io no ijoroan'ny hainteny, izay itsiriritan'izao tontolo izao antsika?

1. NY FAHENDREN'NY ANTI-PANAHY
Amintsika Malagasy, dia tambin'ny fahendrena ny fahelana velona. Izany hoe: Tsy ny fahanterana no mahahendry fa ny fahendrena no mahatratra antitra. Ary izay no ilolohavana an-tampon'ny loha ny zokiolona.
Ny azo anamarinana izany hevitra mety hahasanganehana izany dia ny anjara toerana nomen'ny Ntaolo ny fotoana mandeha teo amin'ny fiainany.
Raha feno 80 taona ny olona, dia hoy ny Frantsay: « Il (elle ) a atteint les quatre-vingts ans ».
Ny antsika Malagasy kosa dia hoe: « Tratry ny fahavalopolon-taonany izy ». ( Tsarovy koa ny fifampiarahabana tratry ny taona ).

Na amin'ny Frantsay izany na amintsika Malagasy, dia mifanala hazakazaka ny olombelona sy ny fotoana, saingy ho an'ny ankilany, ny olona no manenjika ny fotoana (course contre la montre), fa ho an' ny andaniny kosa, -ny Malagasy - ny fotoana no manenjika ny olona.
Izay no mampiavaka ny atao hoe fahendrena amin'ny roa tonta.

Hoy ny ohabolana iray: « Ny mahery tsy maody tsy ela velona ». Milaza izany fa eo anatrehan'ny fotoana, dia tsy izay salama sy matanjaka akory no maharitra fa izay hendry ( maody = malina = hendry). Hitantsika koa izany amin'ilay firariana hoe: « Mahareta hatramin'ny farany ». Ny hoe « maharitra » eto dia sady « durer » no « être patient ».

10

( II. Ny fahendrena latsa-paka : 1. Ny fahendren'ny anti-panahy )

Io faharetana izay mampikoy ny vahiny (sy isika samy Malagasy koa aza : Mahari-pery) io no foto-pahendrena saro-takarina ho an'ny tsy Malagasy.
Ny Tantaran'ny Firenentsika hatramin'izay ka hatramin'izao eo hanamarina izany.

Fa ny fahendrena hafa koa izay mifanindran-dalana amin'io faharetana io dia ny fanajan-tena.
Mahamenatra antsika fatratra raha misy olona miteny antsika hoe: « Mba mahaiza manaja tena! ».

Ny hevitr'io akory tsy hoe olona manan-kaja ianao ka aza ivaivaina izany hajanao izany, fa hoe mba ataovy izay hanajan 'ny olona anao. Samy hafa tanteraka mantsy ireo fomba fisaina ireo: Ny voalohany dia tsy mikarakara afa-tsy ny tena; ny faharoa kosa mieritreritra ny hafa.

Raha misy, ohatra, fivoriam-pianakaviana, ka ahitana tovovavy sady miakanjo fohy mampiseho foto-pe no mampidera vata-nono, ary avo feo sy be petsompetsona, dia tsy handre mihitsy olona hiteny azy mivantana ianao, fa ny olona indray aza no...manongo tena.

    Nahoana?
    a) Noraisin'ny olona ho henatra ho azy ny tsy fahalalan'ilay tovovavy menatra.
    b) Menatra ny olona satria noteren'ilay tovovavy tsy hanaja azy.

11

( II. Ny fahendrena latsa-paka : 1. Ny fahendren'ny anti-panahy )

Dia tahaka izany hatrany no fihetsiky ny olona manoloana lehilahy na vehivavy tsy mahatam-bava, mamo am-pivoriana na an-dalam-be, mampiseho teny sy fihetsika tsy mendrika....
Amin'ny Malagasy ny fanajan-tena dia ny fitandroana ny filaminan'ny fiaraha-monina sy ny firindrany. Ary takiny amin'ny olona rehetra izany fanajan-tena izany, na inona na inona fahefany, na inona na inona voninahiny, na inona na inona fahaizana amam-pahalalany..... Tonga eo indrindra isika izao.

2. NY FAHENDRENA SY NY FAHAIZANA AMAM-PAHALALANA.

Olonkendry no ilazantsika ireo manam-pahaizana miavaka antsoina amin'ny teny frantsay hoe « savants » na «érudits». « Olon-kendry avy any atsinanana », ohatra, no niantsoan'ireo mpandika ny Baiboly ireo Magy telo lahy. Saingy tsy izay nahita fianarana sy manam-pahaizana rehetra akory dia olon-kendry avokoa. Ny fahitana fianarana mantsy dia vokatry ny hakingan-tsaina.Ary amin'ny Malagasy, dia iray ihany ny hakingan-tsaina sy ny hafetsena.

Raha iverenantsika vetivety, ohatra, ilay ray na reny niteraka zaza menavava midera hoe: « Hendry io zaza io », dia ho tsapantsika fa raha manampy izy hoe: « Sady efa fetsy », dia avahany tsara ny « hendry » sy ny « fetsy ».
Anterina eto izay efa voalaza hatrany am-boalohany: mieritreritra ny hafa ny hendry, fa ny mahay kosa dia ho an'ny tenany ihany. Koa rehefa miasa ho fieritreretana ny hafa sy mitera-boka-tsoa ny fananan-tsaina vao antsoina hoe « olon-kendry » ny manam-pahaizana. Izay no maha-olon-kendry an-dry Pasteur, Nobel, Rakoto Ratsimamanga... Ary rehefa ireharehan'ny firenena ny fananana azy ho zanany, dia antsoina hoe olomanga izy.

12

III. NY FAHENDRENA TANDRA VADIN-KODITRA :

Ny taonjato faha-21 iainantsika dia ahitana hazakazaka tsy misy farany ho amin'ny fandalinam-pahaizana hahafahana misongona ny hafa eo amin'ny lafim-pahalalana rehetra. Ny vokatr'izany dia efa hitantsika sahady amin'ny resaka «mondialisation ».
Efa maro ny manakivy tena sy manakivy ny hafa ny amin'ny hoe hijanona ho mahantra sy ho fadiranovana ny firenentsika, satria hitombo tsy mijanona ny elanelana manasaraka antsika amin'ireo efa lasa aloha, toy ny Amerikana, ny Japoney, ny Sinoa...
Marina izany, ary angamba tsy ho azo ihodivirana. Saingy ny toa hadinontsika, dia ny nisaintsaina fa tsy ny manam-pahaizana ihany anie no nahalasa lavitra ireo firenena ireo, fa ny fananany fahendrena sy ny fahamaroan'ny olon-kendry ao aminy indrindra indrindra. Teny famerimberiko amin'ny mpianatro ny hoe: Na hiolan-ko vy isika na hiolan-ko vato, dia tsy ho afaka amintsika ny maha-Malagasy antsika, satria tandra vadin-koditra amintsika izany.

1. NY HALEMEM-PANAHY :

Mbola teny iray tsy ho voadika an-teny tokana amin'ny teny frantsay ity. Misy hasiny telo farafahakeliny ao anatin'io voasary io. Ny endrika ahitana azy avy etý ivelany ihany no hanazavantsika azy, dia :
    - ny fahatoniana na amin'ny fihetsika na amin'ny fiteny (calme ),
    - ny fahaiza-mandray ( sens de l'hospitalité ),
    - ny fandeferana ( esprit de concession ).

13

( III. Ny fahendrena tandra vadin-koditra : 1. Ny halemem-panahy )

Ny tena mampisongadina io halemem-panahy io dia eny an-tsena. Tsy mba andrenesana olona mikiakiaka na mampiasa herisetra amin'izany, fa resaka feno tambitamby no heno. Manao ahoana ny fomba fiantson'ny mpivarotra ny mpandalo hividy ny entany? Manao ahoana ny fomba firesaka mandritra ny adivarotra, na ho raikitra na tsia ny varotra? Manao ahoana ny fikarohana ny « marimaritra hiraisana »? - Ny lemilemin-dradinty no mahazo vorona,
- Ny varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana,
- Tery omby ririnina, ka atao izay sady tsy hahafaty ny reniny no tsy hahabotry ny zanany,
- Ny iray tsy tia mafana, ny iray tsy tia mangatsiaka : tadiavo izay marimaritra hiraisana,
- Ny to fo mpamosavy, ny malemy fanahy tratra am-parany.

Moa tsy mampalaza ny Malagasy eran'izao tontolo izao ny fahaiza-mandray sy ny fahaiza-mifandray?

2. NY TAHOTRA SY HENATRA :

Ireo efa nilona naharitra tao anatin'ny fomba fisaina tandrefana dia milaza fa ny hasaro-tahotry ny Malagasy sy ny hasarotan-kenany no tsy hahatafitany asa goavana sy maharitra, satria tsy sahy misava lalana izy fa manaraka ambokony izay ataon'ny hafa (vahiny ) sahisahy manao vivery.

14

( III. Ny fahendrena tandra vadin-koditra : 2. Ny tahotra sy henatra )

Raha izay mitranga ankehitriny anefa no dinihina, dia mibaribary fa efa nilaozana lavitra sy ela ilay toe-tsaina nolazaina fahiny hoe « miandry mahazo ». Ny fahamaroan'ny orinasa tantanana Malagasy no eo hanamarina izany. Ekena fa mbola kely sy vitsy ireo, raha izay ezaka tokony hatao no itsarana azy.

Saingy efa tongotra mby an-dakana izao ka tsy hihemotra intsony.
Fa tsy izay no foto-dresaka fa izao: Fomba sy toe-tsaina vahiny no nampianarana iizany fomba famoronana sy fitantanana orinasa izany, ary nandritra ny fiofanana sy fianarana, dia azo inoana fa tsy nisy torohevitra hoe: « Tandremo fa Malagasy ianareo ka aza ariana izany maha-Malagasy anareo izany ». Ny mifanohitra amin'izany aza no naiditra an-tsaina: « Tandremo ny matoky olona, tandremo ny havana, rehefa vola dia vola... ».

Saingy, fanontaniana no apetrako ary tsy iandrasako valiny: Levon'ny fampianarana sy fomba vahiny ve ny tena maha-Malagasy ny Malagasy mpitantana orinasa?

Raha milahatra ny samy mpitantana orinasa, inona no mampiavaka ny Malagasy amin'ny Amerikana, ny Anglisy, ny Japoney...? -Tsy ny tahotra sy henatra ve? Tsy ho hita mivandravandra toy ny vay an-kandrina mihitsy aloha izany, saingy ho tsapa foana eo amin'ny fomba fiteny sy fifandraisana ary fifampitondrana, eo amin'ny fifampiraharahana...Ary raha sendra misy maningana amin'izany, dia hoy ny Malagasy: « Tsy tahotra tsy henatra fa dia sahy n.......... ». An-kavitsiana ny Malagasy tsy te-hilevim-belona ilazana ireo teny ireo.

15

( III. Ny fahendrena tandra vadin-koditra )

3. NY FIFAMPITOKISANA :

Mahagaga fa na toa inona na toa inona fampitandremana atao ny Malagasy hanorin-javatra hoe: « Aza mora matoky olona, aza manankin-javatra amin'ny havana, aza... », dia mbola tsy afaka ao an-tsainy foana ny « tain'omby mivadika aza tsy misy sahy maka ».

Marina mihitsy aloha fa misy ny fandoto iray tandroka tsy leon'ny fandio iray siny, ary misy koa ny tsy leom-boananana, hany ka mazàna miafara amin'ny faharavam-pihavanana sy faharavan-karena ny fifampitokisana toy ireny. Saingy efa tandra vadin-koditra ny hoe: Mpirahalahy mianala: izaho tokiny, izy tokiko – raha mahatoky ahy izy, nahoana no tsy hitokisako?-.

Fa inona moa no tena hevitry ny hoe « tandra vadin-koditra »? - Pentina tsy azo kosehina sy entina mandra-maty, ka izay ahosotra eo amboniny, na inona na inona ary na toa inona na toa inona hateviny, dia tsy handevona azy fa hanakona azy fotsiny, ka tsy maintsy hisy fotoana hisehoany indray. Ary dia toy izany ny fifampitokisana izay adikan'ny sasany hoe « naïveté », nefa endrika isehoan'ny fahendrena maha-Malagasy ao amin' ny tsirairay.

16

Fehiny

Raha ny marina, dia tsy famoaboasana an-takila vitsivitsy toy izao no hahafaoka izay mety ho hasim-boasarin'ny fahendrena malagasy.

Tsorina am-panetren-tena fa misy ary mety ho maro ireo lafin-kevitra nosafosafoina fotsiny fa tsy nohalalinina, ary misy aza niniana tsy noresahina tato mihitsy noho izy tsy tena mifanandrify amin'izay tanjona tian-kiantorahana, dia ny hoe: «Mbola tena ao amintsika tsirairay avy ny fahendrena maha-Malagasy antsika, saingy tsy maintsy sivanintsika izay tsy izy. Ary ilam-pahendrena koa izany sivana izany ».

Ny maha-firenena ny firenena dia ny vahoaka, ny mpitondra sy ny mpanohitra ny mpitondra ary...ny fahendren'izy telo tonta ireo.

Nefa na nandini-tena lalina aza ianao ka hiaiky hoe: « Tena adala aho marina! », dia ndao hiombonana ilay hoe: « Ny adalan'ny tena tsy hatakalo ny hendrin'ny hafa ».

Abel ANDRIARIMALALA
25 Février 2009